Gasigasy

Nampidirin'i radotiana | 1 Feb, 2007

Nanao lava tongotra/kodiarana tany California tany d izao indray vao tafaverina eto amin'ny tanàna.

Tapakevitra tampoka ny hanome endrika gasigasy ny takelaka aho androany ka dia io hitanareo nosoloina tamboho ntaolo gasy io ilay sary teo aloha. Teo akaikin'ilay fasana misy soratra hoe 1896 eny Andraisoro, Antananarivo no nangalako ny sary.  Manontany tena aho hoe mety hitovitovy taona amin'io fasana io koa ve izany ity tamboho ity?

Misaotra an'i Pissoa tamin'ny sopapa.

Ity misy voan-dalana tany ampandehandehanana tany. Mampatsiahy ahy ilay hiran'i Tovo'Jhay manao hoe "...masoandro mody malefaka eh..."

Tany Huntington Beach, California no nangalana ny sary.