Voan-dalana antsary avy any Dago - Nov 2008

Nampidirin'i radotiana | 12 Nov, 2008

Tafaverina soamantsara avy any Dago omaly alina aho. Ireto misy voan-dalana antsary vitsivitsy nentiko ho anao. 

undefined 

Mety hanomboka amin'izay angamba ny fanamboarana ity Lapan'ny Tanànan'Antananarivo ity. Tsikaritro nisy fefy fanitso vao atsangana manoloana ity sary ity tamin'ny Zoma lasa teo.

 

 

Efa misy ho jerena ny endriky ny Rovan'i Manjakamiadana raha avy lavitra. 

 

Mety tsy ho azo ihodivirana ny fiovan'ny endriky ny tanàna manamorona an' Andranomena raha vao vita soamatsara ny trano vaovaon'ny Masoivoho Amerikana.

 

Miasa andro aman'alina ry zareo sinoa mpanamboatra ny hotely misy rihana 24 (tsy azoko antoka raha tena io tokoa no isa marina) eo Mandrosoa Ivato. Io maintso manjavozavo io izy amin'ny sary raha tazanina avy eny amin'ny arabe fefiloha hoany Ambohitrimanjaka. Mahatazana azy mandondona koa anefa ianao rehefa midina an'Ambohidratrimo iny. 

 

Nivezivezy tamin'iny làlana mankany Toamasina sy Fianarantsoa ary Tsiroanomandidy iny aho tamin'ity indray mandeha ity ary dia nahatsikaritra fa efa maromaro ihany ireo biraom-pokontany mitovy endrika sy loko no efa voatsangana.

Asa na firy no isan'ireto fiaram-pitanterana misy rihana ireto ao Dago fa dia sendra ahy teo Manjakaray ity anakiray ity. Zotra mankany Toamasina. Alaivo sary antsaina ianao mipetraka eo amin'ny seza anoloana toa azy efa-dahy eo amin'ny sary amin'iny fidinan'i Mandraka iny.  

 

Mety hiova tanteraka ny endriky ny tontolo fitanterana amin'ny posy ao Bira (Antsirabe) afaka taona vitsivitsy raha ny fahitako azy. Tsy ho ela dia ho zatra mandeha "KINGA" ny olona. 1000 ariary (5000fmg) ny saran-dalana hoan'ny olona iray. Afaka mitondra olona telo handeha amin'ny toerana telo samihafa ny mpamily KINGA. Haingana sady tsy dia mahasosotra ny mandeha aminy. Solika 3 litatra hono no laniny amin'ny halaviran-dalana 100 km. 

Misy tanteraka ihany ireo nofinofiko tany aloha tany. Tsy mitebiteby firy intsony aho rehefa mandeha fiara amin'iny lalam-pirenena mampitohy an'i Toamasina sy Antananarivo, na Antananarivo sy Toliara iny. Miha manaja ny andaniny natokana ho azy ny fiara mandeha amin'ny arabe. Misy tsipika fotsy mitohy sy mitapatapaka mantsy ny arabe ankehitriny. Ny irariana dia mba hitohy ny fikojakojana azy ireny.

 

Tonga tany Dago ihany i Alpha Blondy tamin'ny farany. Takelaby dokam-barotra hita teny amin'ny arabe fefiloha hoany Ambohibao io eo ambany io. 

 

 Manana finday ny ankamaroan'ny olona. Ny finday marika ZTE ("Zanaky ny Tena Enjana" araky ny filazan'ilay mpanamory fiara namana iray izay) no tsikaritro ho be mpampiasa. Variana amin'ny findainy ity mpitarika posy iray any Toamasina ity.

 

 

Soratra manala azy nisodisody teo anoloako teny andalana.

 Io ilay tsipika mitohy amin'ny arabe noresahiko etsy ambony fa hita tsara.

" Fikasana an'ny Sôfera, fa ny didy an'ny Môtera "  :-)

 

Izy hono toy izany mihitsy e!

 

... Misotroa rano iray vera isa-maraina ihany na dia izany aza an :-)

VITA TOMPOKO.