Mahay mitady vola ny olona!
Nampidirin'i radotiana | 8 Sep, 2006
Fetin'ny "Labor day" moa taty amin'ny bekintana tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo. Nitohy hatramin'ny Alatsinainy teo ilay izy dia mba nandeha nihodikondina tany rehetra tany izahay. Nisy ramatoa izay ary tonga dia nanao be fiavy be nanatona ahy sady nilaza hoe " Smile, God loves you", " (Mifalia/mitsikia, Tia anao Andriamanitra" sady namoaka auto collant (sticker) misy an'io soratra io izy. Nanolotra karatra plastika fotsy misy ny momba momba azy sy ny vadiny ahy koa izy nony avy eo.
Nony tonga taty antrano dia nalaim-panahy aho hijery hoe inona marina no zavatra voizin'iny ramatoa iny dia nandeha tamin'ilay tranokala www.blessitt.com voasoratra tao anatin'ilay karatra nomeny ahy. Resaka fivavahana moa izany no tao mazava ho azy fa ny tena nanaitra ahy dia nisy rohy (link) iray izay tao nilaza fa handefa hazofijaliana hihodidina ny planeta tany any ambony tsy taka-maso any hono ry zareo (Launch of the Cross in Space). Notsindriko ilay rohy dia iny aho no lasa tafa-findra tany amin'ilay tranokala hoe azo anarahana ny fandefasana an'ilay hazofijaliana
http://www.memorialspaceflight.com/
Ireto toerana efatra amin'ny sary etsy ambany no aroson'izy ireo handehanana. Arakaky ny halavirana sy ny lanjan'ilay lavenona halefa ny halafony. Manomboka eo amin'ny $495 (1.054.092,6 Ariary) ka hatramin'ny $12500 (26.618.500 Ariary) eo izany ny saran-dalana.