Hazakazaka arahin-tosika

Nampidirin'i radotiana | 22 Sep, 2006

Tadidiko indray mandeha izay nisy fifaninana "hazakazak'Apondra" tao Mahamasina. Henoko hoe misy midongy hono ny apondra sasany rehefa akaiky ho tonga any amin'ny farany. Mety hitovitovy amin'izay ihany angamba ity natrehanay herinandro vitsivitsy lasa izay ity:

Biby fiompy antsoina hoe "Llama" no tarihin'ny mpifaninana mihazakazaka miaraka aminy ao anatin'ny halaviran-dalana mirefy 4, 82 km (3 miles). Miampita renirano in 4 izy ireo amin'izany. Misy fiakarana sy fidinana ny lalana tsy maintsy izorana. Alaivo sary antsaina.  21 minitra ny zava-bita tsara indrindra hatramin'izao. Efa ampolontaonany no nisian'ity fifaninanana ity hono.

 

Tanana fitrandrahana volamena tamin'ny andron'ny Cowboys no mikarakara ity fifaninanana ity ka dia nisy ny fampisehoana ny mety ho endriky ny fiainampiainan'ny olona tamin'izany andro izany.

 

Duel

Mampihomehy ahy ny mandinika an'ity sary farany eto ambany ity. Azo lazaina fa nifandona ny "lasa" sy ny "Ankehitriny" eto.

Vita tompoko.