Taos Pueblo, NM - Tapa-porohana

Nampidirin'i radotiana | 26 Okt, 2007

Afaka nitsidika ny iray amin'ireo tanàna vitsy sisa tavela any Taos, New Mexico aho. Nifindra any mantsy ireo taranaka Puebloana tao Mesa Verde, Colorado. Raha atao ny kajy amin'ny halaviran-dalana amin'izao fotoana dia nifindra 397 km nianantsimo antsinanana ry zareo. Hita misongadina ny fitovitovian'ny endriky ny rafi-trano. Ny hany mahasamihafa azy fotsiny dia fitaovana nampiasaina nananganana azy sy ny toerana nanorenana ny tanàna.

Ny kiefitrefitra mifampitohitohy sady mifampitaingina mbola notazoniny ihany. Tao-trano tany toy ireny tambohon'ny ntaolo gasy ireny ireto trano ireto. Foana izany ny fampiasana vato toy ny ao Mesa Verde. Ny foko Puebloana antsoina hoe Red Willow no mipetraka any Taos Pueblo, NM.

Mbola misy mipetraka amin'ny ampahany amin'ireto trano ireto ankehitriny saingy ny ankamaroany dia efa lasa toerana fivarotana firavaka sy asa-tanana amin'ny mpizaha tany.

 

 Adinonao tanteraka mihitsy fa aty Amerika ianao rehefa tafiditra ao anatin'ity tanàna ity.

Hita taratra fa nandalo tao ny Espanola amin'ny rafitry ny varavaran-kazo sasany.

Ny Eglizy St Jerome izay naorina tamin'ny taona 1619. Rava tamin'ny taona 1680 tamin'ny fotoana nisian'ny fanoheran'ny Puebloana ny mpanjanaka Espanola. Naorina indray ny taona 1692 rehefa tafaverina indray ny Espanola. Rava fanindroany indray io eglizy io ny taona 1847 tamin'ny fotoana niadian'ny Amerikana sy ny Meksikana. Naorina indray ny taona 1850 ary dia io mbola mijoro hita amin'ny sary mandrak'ankehitriny io.

Mbola misy ireo "Kiva" saingy tsy azon'ny mpizaha tany tsidihina. Ny teny Indiana antsoina hoe Tiwa no ifampiresahan'ny mponina. Tsy hay soratana io teny io fa dia ampitaina amin'ny taranaka mifandimby fotsiny amin'ny alalan'ny fampiasana azy. Efa miteny anglisy ny ankamaroan'ny olona saingy misy "accent" tena mampiavaka andry zareo. Ny tena mampalahelo dia feno "Casinos" ny " Indian Reservations" any New Mexico.

Efa hirotsaka ny ranomandry ka dia ho vita hatreo ny fandehandehanana aloha raha tsy hoe misy irika tampoka indray :-)

VITA TOMPOKO

Pissoa: Raha ny fahazahoako azy dia nohezahina naverina tamin'ny  endriny teo aloha foana io Eglizy St Jerome io isaky ravan'ny ady.