BANKSY mampisaina

Nampidirin'i radotiana | 24 Okt, 2006

Tsy aritro ka dia naleoko nanokanana pejy iray ato amin'ny blaogiko ity "Guerrilla Street Artist" iray ity. Asa na efa mba henonao fa misy an'izay magazine malaza antsoina hoe Esquire izay aty Etazonia. Tapakevitra ry zareo ary fa hanome ny anaram-boninahitra " artist of the year " an'i BANKSY.  Ireny olona mpanoratsoratra sy mpanao sary amin'ny rindrina amin'ny "spray paint" ireny izy io. Any Angletera izy no mipetraka.

Ny tena olana dia tsy misy mahalala hoe iza marina ity Banksy ity fa ny asa-tanany mipetraka eny amin'ny rindrin'olona no ahafantarana fa nandalo teo izy.

Nisy fotoana aza moa dia afaka nametraka ny sangan'asany tao amin'ny rindrin'ny British Museum any Angletera ny tenany.

Sary mainty sy fotsy mampiasa stencil (Ireo mpanao soratra apetraka amin'ny fiara, toeram-pivarotana, sns... any Madagasikara no mpampiasa ity teknika efa ela dia ela ity) no tena ahafantarana azy.

Mampita hafatra ny sangan'asany. Tsy any Angletera ihany fa hatrany  amin'ny rindrim-be  manasaraka an'i Palestina sy Israely.

Ireto misy sangan'asany vitsivitsy:


In June 2006, Banksy stencilled an image of a naked man hanging out of a bedroom window on a wall in central Bristol, England. The image sparked some controversy, with the Bristol City Council leaving it up to the public to decide whether it should stay or go. After an internet discussion in which 97% (all but 6 people) supported the stencil, the city council decided it would be left on the building

In August, 2005, Banksy painted 9 images on the Palestinian side of the Israeli West Bank barrier, including an image of a ladder going up and over the wall and an image of children digging a hole through the wall.


BANKSY OF ENGLAND

 

(from Wikipedia): “Banksy (born 1974) is a prolific graffiti artist from Bristol, UK, whose artwork has appeared throughout London and other locations around the world… His original street art form, which combines graffiti with a distinctive stenciling technique, has achieved a certain underground notoriety and widespread coverage in the mainstream media. Despite this attention, he carefully manages to keep his real identity hidden.

Source: http://www.esquire.com/features/articles/2005/060612_mfe_December_05_Banksy_1.html

Vita tompoko.

NASA - tohatra hoany andanitra!

Nampidirin'i radotiana | 20 Okt, 2006

Ohatran'ny hoe mampihomehy ny mieritreritra an'ity tetikasa feno ambom-po ketrehin'ny ao amin'ny NASA ity kanefa dia hita fa tena tapakevitra ry zareo. Vaovao nampitain' radio BBC androany hariva no nahenoko azy ity.

Tanjona: Hanamboatra tohatra hiakarana any andanitra.

 

Satria nahoana: Lafo loatra ny vola lanin'ny NASA amin'ny fandefasana ireo "rockets" manosika ireo sambon-danitra hiakatra any ambony tsy taka-maso any.

Fomba hanatanterahana azy: Mandefa satelita hitsingevaeva any amin'ny 37007 km any ambony any aloha. Asiana tady mafonja nefa maivana midina avy any rehefa avy eo hipaka ety ambonin'ny tany. Robot amin'izay no mitondra ny olona sy ny entana miakatra sy midina.

Rahoviana: Ny 2010 no mifarana ilay fifaninanana. Ho hita eo indray izany izay daty manaraka. 

Dingana vita: Mbola eo ampisafidianana izay teknolojia sy fitaovana hampiasaina ny NASA amin'izao fotoana izao. Mampanao fifaninanana hoan'ireo orinasa sy  mpikaroka siantifika liana amin'ity sehatra iray ity izy anio Zoma 20 Oct. Any amin'ny tany ngazan'i New Mexico no hanatanterahana io fifaninanana io. Mitotaly $400.000 ny loka ho zaraina.

Notsotsoriko ny resaka amin'ny teny gasy fa izay liana  te hahafantatra ny antsipirihiny dia afaka mamaky etsy ambany.

 

Nasa hopes to catch an elevator to space

US scientists compete to find technology that could replace costly rockets

Robin McKie, science editor

Sunday September 3, 2006
The Observer


 

In a few weeks, scientists from across the world will gather in the New Mexico desert to compete for one of the strangest - and most ambitious - technological competitions ever devised.
Some researchers will unveil robots, powered by solar panels, that will climb long lengths of cable. Others will demonstrate materials so light and strong that mile-long stretches of the stuff could be hung in the air without snapping. And some will highlight their plans to launch satellites carrying sets of mini-probes tethered together, to discover how they behave in space.
All these different projects are united by one extraordinary goal: to build a stairway to heaven. Each of the groups that will gather in New Mexico is competing to win a Nasa prize set up to encourage entrepreneurs to start development work on the technology needed to create a space elevator. Such a device would involve constructing a 23,000-mile cable that could pull men and goods into orbit without blasting them there on top of expensive, and dangerous, rockets.


'I think there are going to be lots of people that rise to this challenge,' said Michael Laine, president of the Washington-based company LiftPort, which will take part in the competition. 'We're at the beginning of something really great.'


The key feature of a space elevator would be the use of a satellite that will orbit almost 23,000 miles above Earth. At this altitude, known as geostationary orbit, the orbital period of a satellite moving around the globe matches Earth's rotation. The craft then hovers over a single spot on the equator.


However, a space elevator would have one extra key feature: a massive cable would be lowered from it to link it to the ground where it would remain fixed, like a tube line to the stars.
It sounds like science fiction. And indeed for the past 30 years that is how most people have viewed the concept of a space elevator, after the idea - originally put forward by the Russian scientist Yuri Artsutanov in 1960 - was made famous by Arthur C Clarke in his 1978 novel, The Fountains of Paradise. At the time the book's ideas were praised for their soundness, though scientists noted that the incredibly strong materials needed to build a space elevator were well beyond the technology of the day.


But science has made enormous advances since 1978, particularly in the development of incredibly light but strong substances that could be used to construct the space elevator cable. In particular, the development of carbon nanotubes - made of highly robust webs of carbon atoms - have raised the promise that a space elevator may one day become reality.


And for Nasa that cannot come a moment too soon. Despite decades of putting rockets into space, the agency has never managed to make any real reductions in launch costs in that time. Hence its decision to back a competition to stimulate space elevator technology. 'With a space elevator, Nasa could build probes that they weren't able to do before; they could do new research on different applications of the space elevator,' said Bradley Edwards, an entrepreneur who played a key role in helping to set up the space elevator competition.


Several US companies and groups of university researchers, plus Canadian, German and Spanish scientists, have promised to bring their devices and put them through their paces at next month's space elevator competition. Prizes will be worth more than $400,000 in total, including one for a robot that will have to climb a 60-metre cable powered only by photovoltaic cells, and another for the creation of tether lighter and stronger than those made of materials now available commercially.


It promises to be a close-run thing. As New Scientist magazine reported last week, the best performing robot last year managed an ascent of only 12 metres up a cable before it stalled, while no material came close to meeting the standards needed for building a space elevator. In short, we may have to wait a little bit longer than anticipated to build that stairway to heaven.
Sources:

 http://observer.guardian.co.uk/world/story/0,,1863755,00.html

http://www.spaceelevator.com/

Vita tompoko.

Hifindra monina aty Etazonia

Nampidirin'i radotiana | 4 Okt, 2006

Mety samy hanana ny handikany azy ny olona mamaky an'ity post-ko androany ity fa na dia izany aza dia harosoko ihany.

Nisokatra androany 4 Octobre 2006 ary mifarana ny 3 Decembre 2006 ny fandraisana anjara amin'ilay famelana ny olona hifindra monina tanteraka aty Etazonia. Diversity lottery no anarany ka ny hoan'ny taona 2008 no raisina amin'izao.(DV2008)

Tsy izay rehetra mandray anjara anefa dia ho voaray daholo satria rindranasa amin'ny solosaina no asaina mifidy amin'ny kisendrasendra ny anaran'ny olona hofidina.  Voafetra arakaraky ny firenena iaviany ny isan'ny olona raisina. Azonareo tadiavina ao amin'ny internet ao hoe firy ny Malagasy nahazo an'io tamin'ny taona lasa. 

Tsy andoavam-bola na dia irambilanja aza.  Be dia be mantsy ireo olona na orinasa manararaotra sady manambaka vahoaka amin'izy ity.

Ny tena mahasarotra azy fotsiny dia tsy maintsy ianao tenany ihany no miantoka ny sarandalanao mandeha aty Etazonia raha voafidy ianao. Tsy maintsy misy olona efa mipetraka aty Etazonia, (fianankaviana, namana, ...) miantoka anao mba tsy ho vesatra hoan'ny fitondrana amerikana ianao amin'ny fotoana ahatongavanao aty.

Izaho aloha tsy afaka miantoka fa aleo tonga dia mibaradaka aty amboalohany. Sao d singanin'ny vintana eo d hoe ao mba amboary any aho ry "Rado" :-))

Ato ny toerana hakana ny toro hevitra rehetra. Mila mahay mamaky teny anglisy.

http://travel.state.gov/visa/immigrants/types/types_1318.html

GOOD LUCK!

Vita tompoko.

Hazakazaka arahin-tosika

Nampidirin'i radotiana | 22 Sep, 2006

Tadidiko indray mandeha izay nisy fifaninana "hazakazak'Apondra" tao Mahamasina. Henoko hoe misy midongy hono ny apondra sasany rehefa akaiky ho tonga any amin'ny farany. Mety hitovitovy amin'izay ihany angamba ity natrehanay herinandro vitsivitsy lasa izay ity:

Biby fiompy antsoina hoe "Llama" no tarihin'ny mpifaninana mihazakazaka miaraka aminy ao anatin'ny halaviran-dalana mirefy 4, 82 km (3 miles). Miampita renirano in 4 izy ireo amin'izany. Misy fiakarana sy fidinana ny lalana tsy maintsy izorana. Alaivo sary antsaina.  21 minitra ny zava-bita tsara indrindra hatramin'izao. Efa ampolontaonany no nisian'ity fifaninanana ity hono.

 

Tanana fitrandrahana volamena tamin'ny andron'ny Cowboys no mikarakara ity fifaninanana ity ka dia nisy ny fampisehoana ny mety ho endriky ny fiainampiainan'ny olona tamin'izany andro izany.

 

Duel

Mampihomehy ahy ny mandinika an'ity sary farany eto ambany ity. Azo lazaina fa nifandona ny "lasa" sy ny "Ankehitriny" eto.

Vita tompoko.

Mahay mitady vola ny olona!

Nampidirin'i radotiana | 8 Sep, 2006
  Fetin'ny "Labor day" moa taty amin'ny bekintana tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo. Nitohy hatramin'ny Alatsinainy teo ilay izy dia mba nandeha nihodikondina tany rehetra tany izahay. Nisy ramatoa izay ary tonga dia nanao be fiavy be nanatona ahy sady nilaza hoe " Smile, God loves you", " (Mifalia/mitsikia, Tia anao Andriamanitra" sady namoaka auto collant (sticker) misy an'io soratra io izy. Nanolotra karatra plastika fotsy  misy ny momba momba azy sy ny vadiny ahy koa izy nony avy eo. 

 

  Nony tonga taty antrano dia nalaim-panahy aho hijery hoe inona marina no zavatra voizin'iny ramatoa iny dia nandeha tamin'ilay tranokala www.blessitt.com voasoratra tao anatin'ilay karatra nomeny ahy. Resaka fivavahana moa izany no tao mazava ho azy fa ny tena nanaitra ahy dia nisy rohy (link) iray izay tao nilaza fa handefa hazofijaliana hihodidina ny planeta tany any ambony tsy taka-maso any hono ry zareo (Launch of the Cross in Space). Notsindriko ilay rohy dia iny aho no lasa tafa-findra tany amin'ilay tranokala hoe azo anarahana ny fandefasana an'ilay hazofijaliana 

 

http://www.memorialspaceflight.com/  

 

  Nony tafiditra tao amin'ity tranokala ary aho dia tsy ilay resaka fandefasana hazofijaliana intsony indray no nahaliana ahy fa resaka hafa mihitsy. Ity orinasa iray ity mantsy hono dia misahana ny fanatanterahana ny nofinofin'ireo maty na koa hoe fanomezam-boninahitra azy ireo ka ny ampahany amin'ny lavenon'ilay olona maty no alefa misidina miakatra any ambony tsy taka maso any. Arakaraky ny vola foin'ny fianakaviana ho laniana  no mametra ny toerana handehanan'ilay lavenona.

 

  Ireto toerana efatra amin'ny sary etsy ambany no aroson'izy ireo handehanana. Arakaky ny halavirana sy ny lanjan'ilay lavenona halefa ny halafony. Manomboka eo amin'ny $495 (1.054.092,6 Ariary)  ka hatramin'ny $12500 (26.618.500 Ariary) eo izany ny saran-dalana.

 

  

Boaty kely tahaka ireto no asiana ireo lavenona.

Miverina amin'ny fianankaviana ihany moa ilay lavenona rehefa tafaverina soamantsara ety ambonin'ny tany.  Gaigy be ilay bizna kah. Mahay mitady vola ny olona.

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»