Sary nalaina tetsy sy teroa -Antananarivo - 26 Janoary 2009

Nampidirin'i radotiana | 28 Jan, 2009

Zava-nisy. Samy afaka mandika ny hevitry ny sary amin'izay tiany. Ora voaraiki-tapisaka tamin'ny sary nalaina ireo notanisaina ireo.

 

Behoririka - Jan 27, 2009  - 11:45 am 

 

 

Supreme Center - Jan 27, 2009  - 10:45 am 

  

 

Air du Monde - Jan 27, 2009 - 9:53 am

 

 

 Ankorondrano.  Jan 26, 2009 - 3:32 pm  

 

 

Ankorondrano - Jan 26, 2009 - 3:29 pm  

 

 

Ankorondrano - Jan 26, 2009 - 3:23pm

 

 

Ankorondrano - 26 Jan 2009 - 3:21 pm

 

   

Ankorondrano - Jan 26, 2009 - 3:01 pm 

 

 

Ankorondrano.  Jan 26, 2009 - 3:00 pm 

  

 

Anosy - Jan 26, 2009 - 12:45 pm 

 

 

  Radio Madagasikara - Anosy - Jan 26, 2009 - 12:40 pm

 

 

 

 

  

 

 Radio Madagasikara - Anosy - Jan 26, 2009 - 12:20 pm 

 

 

 Ambohidahy - Jan 26, 2009 - 11:40 am

 

VITA TOMPOKO

 

Madagascar president accuses mayor of stirring up 'revolt'

Nampidirin'i radotiana | 26 Jan, 2009

Mitohy ihany ny fanampim-baovao amin'ny teny anglisy hoan'izao tontolo izao

 

 

Marc Ravalomanana

©2009 Google - Map data ©2009 Europa Technologies - Terms of Use

Madagascar president accuses mayor of stirring up 'revolt'

IVATO, Madagascar (AFP) — Madagascar's President Marc Ravalomanana on Sunday accused a maverick mayor of stirring up a "revolt" after he branded the regime a dictatorship and called for a general strike.

A number of the mayor's supporters also taunted Ravalomanana Sunday as the president's motorcade traveled from the airport to his home on the Indian Ocean island.

An AFP journalist reported that at least two vehicles that were part of the motorcade had broken windows, but it was unclear how the damage occurred.

"The call for revolt and civil disobedience ... corresponds to a coup d'etat," a statement from the president said, adding that it "tramples on the values of the constitution and the republic's institutions."

The president has "given firm instructions to the government to imperatively reestabish order and social peace, in accordance with the constitution," the statement added, while asking the population to remain calm.

Ravalomanana, who cut short a trip to South Africa after the capital city's mayor Andry Rajoelina called for the strike during a Saturday rally attended by more than 20,000 supporters, earlier asked for public order.

"I have asked the prime minister to ensure order and security (across) the country," said Ravalomanana. He did not elaborate on the measures to be taken.

Thousands greeted the president at the airport when he arrived back home on Sunday. A number of Rajoelina's supporters were among the crowds gathered along the roads after the president's motorcade left the airport and screamed slogans in support of the mayor.

Vocal Antananarivo mayor Rajoelina, who has recently become critical of the government, told the gathering on Saturday that "leaders who do not care about the people should not be there," referring to the regime.

The rally was held despite being declared illegal by police.

Ravalomanana said: "I do not agree with those who turned out (for the rally). Madagascar is a country with laws. This is being disloyal.

"I urge all Madagascans to think again. The goal is to move the country forward," he said at a press conference at the airport.

Rajoelina, 34, ran against Ravalomanana's party as an independent candidate in municipal elections in 2007 and since taking office has grown into the regime's most vocal opponent.

Rajoelina has repeatedly condemned what he says are shrinking freedoms in Madagascar and also fiercely criticised a massive project to lease vast swathes of farmland to South Korean industrial giant Daewoo.

The tug-of-war between the Antananarivo mayor and the president intensified on December 13 when the government closed down Rajoelina's television network "Viva" after it broadcast an interview with former president Didier Ratsiraka.

Google Alert - Madagascar" - Andry Rajoelina

Nampidirin'i radotiana | 25 Jan, 2009

Tsy azo hodiana fanina intsony fa manomboka tafaporotsaka aty ivelany ny disadisa misy any Dago any. Nivoaka tamin'ny Google Alert "Madagascar" mantsy ny zava-niseho tany Ambohijatovo sy Analakely anikeo maraina. 

 


Andry Rajoelina

©2009 Google - Map data ©2009 Europa Technologies - Terms of Use

Vocal Madagascar mayor calls for strike to 'reclaim democracy'

ANTANANARIVO (AFP) — The mayor of Madagascar's capital Antananarivo, who has branded the Indian Ocean island's government a dictatorship, called for a strike on Monday to "reclaim democracy."

Addressing more than 20,000 supporters at the historic Place du 13 Mai square on Saturday, Andry Rajoelina said "leaders who do not care about the people should not be there. We are here because we refuse to be gagged."

"I am calling for a general strike on Monday (in the capital) by government workers, students and all residents of Antananarivo," the 34-year-old told the rally which was held despite a police ban.

"I urge all the people to continue the struggle to reclaim democracy. I am ready to lead the people should there be a transition. I will be your spokesman."

Interior Minister Gervais Rakotonirina appealed for calm after the rally.

"Following the declarations made today... the government is following the events and urges people to be calm and be wary of manipulations," he told reporters.

Rajoelina ran against President Marc Ravalomana's party as an independent candidate in municipal elections in 2007 and since taking office has grown into the regime's most vocal opponent.

Ravalomanana was re-elected in December 2006 polls and other elections since have generally tightened his grip on power but the mayor of the island's capital is proving a thorn in the president's side.

Rajoelina has recently and repeatedly condemned what he says are shrinking freedoms in Madagascar and also fiercely criticised a massive project to lease vast swathes of farmland to South Korean industrial giant Daewoo.

The president is currently in South Africa and is expected back on Monday.

The crowd dispersed peacefully after Saturday's rally from the square, named after the day in 1972 when fire razed down the Antananarivo city hall during protests that saw the fall of the country's first president Philibert Tsiranana.

The tug-of-war between the Antananarivo mayor and the president intensified on December 13 when the government closed down Rajoelina's television network "Viva" after it broadcast an interview with former president Didier Ratsiraka.

Ratsiraka ruled the island for 25 years and has lived in France since 2002 after losing a deadly political struggle with Ravalomanana which saw the island being effectively split for some time with two parallel administrations.

On January 17, Rajoelina inaugurated a new square in the capital and named it "Democracy Square", in a move widely interpreted as a message to the regime 

Sandrandahy - Fandriana - Miarinavaratra amin'ny nahitako azy

Nampidirin'i radotiana | 4 Des, 2008

Miezaka mitsidika toerana iray mbola tsy nalehako aho isaky  ny mandeha any Dago. Efa ela moa aho no mba te ho any amin'izany Fandriana izany ka dia tapa-kevitra tampoka tamin'ity indray mitoraka ity.

Ny fahaizan'i Lefy nitantara ny momba an'io Faritra io tao amin'ny i Forum Moov no anisan'ny nanentana ahy.

Talata atoandro izahay no niditra ny tananan'i Fandriana izay 81 km raha avy ao Antsirabe. 

 

undefined

 

Io ny ampahany amin'ny tananan'i Fandriana raha tazanina avy aty amin'ny arabe mivoaka mankany Miarinavaratra. 

 

 undefined

 

Efa hiditra ny tanana ianao no mahita ity takelaka fanoroan-dalana ity. Manamorona iny lalam-be mankany antsena iny no misy ny ankamaroan'ireo trano vaventy mampalaza an'i Fandriana. Ny mahavariana dia saika mikatona izy ireo. Misy aza moa ny sasany dia asiana bara hazo na vy mihitsy avy ety ivelany isaky ny varavarana. Tsy sahy naka sary aho fa toa masiaka fijery ny olona.  

 

undefined

 

Vetivety izahay telo lahy dia tapi-dalankaleha rehefa tonga tao antanana. Azo iantsoana tsara ny finday avy eo Fandriana ka dia niantso ilay namako iray mipetraka any Tana aho mba hanontany azy izay azo atao eo antanana. Lehibe tao Fandriana mantsy izy. Hadisoam-panantenana anefa ny ahy fa hoy izy hoe "Tsy misy azo atao firy ao raha tsorina aminao ny tena marina afa tsy ny mandeha mijery mpianatra mirava. Ny mpianatra hoy izy mahita fahafinaretana mijery ny vahiny tonga moa ny vahiny koa mba misy analana azy. Misy tsena maresaka any Miarinavaratra hoy ihany ilay namako isaky ny Alarobia fa mandehana any. Resiny lahatra aho dia nanapa-kevitra ny hijanona hatory izahay. Vetivety dia maizina ny teo antanana. Maizina tena maizina satria nisy fahatapahany koa ny famatsiana herinaratry ny Jirama. Jiro labozia roa no nampirehetina hanazava ny efitrano natoriana. Tamin'ity indray mandeha ity no nahalalako fa hay misy mpamaky ihany ireny baiboly manga napetraky ny Gideoana iraisam-pirenena any amin'ny hotely ireny. Iny izaho mbola varimbariana mijery ny sary nalaiko ny andro tontolo iny no indro i T... nanomboka namaky. Ilay ampahany amin'ny teny anglisy no novakiany ka hoy aho hoe vakio mafy fa ahitsiko raha misy diso fanonona sady somary nanalako kely ihany izy.  Lany tamin'ny fampianarana teny anglisy azy roalahy tamin'ny alalan'ny soratra masina teo ny alina :-)

Vao nangiran-dratsy izahay dia efa nanainga hamonjy an'i Miarinavaratra. Mbola rakotry ny zavona matevina ny tananan'i Fandriana tamin'izay.

 

undefined

 

Nanontany tena aho hoe mba tamin'ny firy loatra ireto olona ireto no efa nanomboka nandeha tongotra sady niloloha ny entan-keliny hoentiny hamidy any antsena. 

 

 

 

Ambohimpihaonan'ny tantsaha tokoa ny tsena.

 

undefined 

 

Santionany amin'ireo trano vaventy izay fahita any Fandriana io amin'ny sary eo ambany io.  Efa mampiasa finday koa ny olona amin'iny faritra iny ary dia anisan'ny antondia any antsena ny famahanana herinaratra ny finday. 400 Ariary ny sarany izay maharitra herinandro hono. Mazava ho azy moa izany fa tsy velomina mandrapaharivan'ny andro ny findaindry zareo fa tsitsiana araka izay azo atao.  Amin'ny 6 ora maraina ka hatramin'ny 8 ora ihany no velomina ny finday amin'ny maraina ary amin'ny ora toy izany koa ny hariva.  

  

 undefined

 

Mitobaka ny fitafiana "fripy". Miova tsikelikely noho izany ny endriky ny tontolo ambany vohitra. Na dia eo aza izany dia mbola misy koa ireo azo itarafana ny tena maha gasy.

 

 

Na trano tsotra io na trano vaventy dia samy mampiasa an'ity "home made antenna"  ity daholo mba hijerena vata fahitalavitra. Ohatran'ny hoe ilay vy manify boribory amin'ny kodiarana bisikileta izany no fahitako azy. 

 

undefined 

 

Tsy azo nodikaina i Sandrandahy raha hoany Fandriana ianao. Narahina ara-bakiteny ny nampidirana ny teny Anglisy ho tenim-pirenena fahatelo ao Dago.

 

 

Nasehoko ilay namako avy any Fandriana ireto sary ireto rehefa tonga tao Tana dia hoy izy nanala kely tamiko hoe "Tena nandeha tany Fandriana marina ianao"

 

VITA TOMPOKO 

AF(o)RI(a)KA - Mivaivay tsy mety ho tony

Nampidirin'i radotiana | 1 Des, 2008

Tsy misy sary ny androany fa notagevan'i Kdaomba dia voatery hanoratra fohy ny amin'ny fahitako an'i Afrika. Misamboaravoara be tsy mety ho tony io kaontinantantsika io. Be ny antony tsy mampandroso azy fa ireto ny ahy no mba tsikaritro:

 

  •  Matahotra ny tena atao hoe demokrasia ny ankamaroan'ny mpitondra Afrikana ka dia ampangininy ny vavan'ireo izay sahy manankiana na manohitra. Ampidiriny amponja na alefany sesin-tany ankolaka na mivantana ireo mpanohitohina ny fitondrany. Nisy mihitsy aza moa ireo nahasahy namono nahafaty.

  • Tsy te hiala eo amin'ny fitondrana mihitsy ireo mpitondra Afrikana. Raha mbola azony atao koa aza ny hijanona eo mandra-pahatapitry ny fofonainy dia izay no imatimatesany. Ovainy na tovanany daholo izao lalam-panorenana rehetra izao mba hanamafisany ny fahefana eo ampelan-tanany. Be izay mpitondra nahavelom-panantenana tao Afrika tao izay fa rehefa ela nitondrana nivadika ho biby masiaka mampatahotra ihany. Jereo fotsiny ohatra ny adin'dry Mobutu Sese Seko tao Congo. 32 taona ngarangidina no nibodoany ny fahefahana. Vao tsy ela akory izay ry Robert Mugabe ao Zimbabwe no nalohan'ny safidim-bahoaka fa mbola nitady irika hifaharana ihany tamin'ny tsy nanekena ny vokam-pifidianana dingana voalohany. Tsy te hahalala izay hevitry ny firenena manodidina fa rehefa hoe izy hono no lany dia izy izany no lany. Mbola tantara mitohy moa ny aminy... 

  • Mangoron-karena araka izay azony atao koa ny mpitondra Afrikana.  Alainy ny tany mahavokatra sy be harena ankibon'ny tany. Ovainy ny rafi-pitondrana sy ny fitantanana misy mba hanomezany tombon-dahiny ny fiharinkareny. Jereo fotsiny ohatra ny adin-dry ...

  • Vohiziny ankolaka ny tsy fitoviana ara-poko sy fihaviana. Ialahy Tutsi, izahay Hutu, ...tsy mba havelany hahatsapa ny vahoakany fa ra mena daholo ihany anie no mikoriana ao anatin'ny tsirairay.

  • Mbola lava ny lisitra fa aleo mba ianao indray no manohy azy aneritreritra

Aza omena enti-mody intsony aho ry Kdaomba fa lasa mampite-hivangabao :-)

 

VITA TOMPOKO 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»