Voan-dàlana - Betioky - Ejeda

Nampidirin'i radotiana | 30 Apr, 2007

Tanàna kely iray antsoina hoe Beomby, 25 km avy eo Beahitse amin'iny làlam-pirenena faha folo (RN 10) mankany Fort Dauphin iny no nandehanako tamin'ity indray mandeha ity. Avy amin'ny foko Mahafaly ny mponina ao. Ny teny Mahafaly no ifampiresahana. Ny hoe - " Talilio rie, ihan'izay rie!" sy ny - "Mbe soa avao raho rie!" no mety ho henonao matetika rehefa misy olon-droa mifanatojake (mifanena) eny andalana.

 Ireto misy sary vitsivitsy tamin'ny fandalovako tany Dago: Ambalavao - Isalo - Ilakaka - Toliary - Betioky - Ejeda - Beomby (Avril 2007).

Tazana eny amin'ny faravodilanitra ny vohi-bato "le chapeau de l'évêque".

Nandalovana ny tampon'i Horombe

Tsy azo nodikaina fotsiny ny tao Isalo

 

 

Na dia ora vitsivitsy aza no nijanonana tao Isalo dia mba afaka nanararaotra nihaona tamin'i Kitjo izay namana mpitoraka blaogy miaraka amintsika eto. 

 

Andava-tsafira, ILAKAKA 

Rehefa nandinika maimaika ny zava-misy ao Ilakaka aho dia nahatsapa fa ireo mpitrandraka ny mpitrandraka safira toy ny mpivarotra enta-madinika, solika, hotely fisakafoanana sy fatoriana, mpamana rano handroana, sns... no tena hanan-karena amin'ny farany.

Santionany amin'ny herisetra manjaka ao amin'ny faritry ILAKAKA. Io feno diam-bala io ny fiara nitondra ireo namono an'i Jamal Khalifa, zaodahin'i Osama Bin Laden araka ny fanazavan'ny olona.

Aleo ity takelaby eo Sanfily ity, izay toerana iantsonan'ny zotram-pitanterana antanety no hiarahabana anao Tonga Soa ao Toliary.

Sanfily, Toliary

 

Rehefa afa-bizana tao Toliara dia notohizana ny dia hamonjy an'i Ejeda. Nifarana teo Andranovory ny làlana vita tara. Manomboka eto ny lalam-pirenena faha 10 (RN 10) mitondra anao hoany Taolagnaro.

 Ny fiarabe TATA no manjaka amin'ny fitanterana olona amin'iny làlampirenena faha 10 iny.

Ny reniranon'i Onilahy no mikoriana ao ambanin'ity tetezana ity.

 

Tongasoa eto Betioky

 " An'iza !"

Gidraka ny làlana eo anelanelan'i Betioky sy Ejeda. Mila fiara 4 sy 4.

 Eto no mivily raha handeha hoany amin'ny valan-java-boaharin'i Tsimanapetsotse. Mbola misy 100 km avy eo amin'io takela-bato io.

Tonga tany Ejeda ihany nony farany. Mbola TATA ihany. Gloria, Malalatiana, Le coq sportif, sns. no mifanena aminao amin'iny làlana iny isan'andro.

Lemaka mari-tampona - Beomby

Tso-piaina ny Mahafaly. Ny fambolena Tsako sy Kapika ary Balahazo no tena antom-piveloman'ny mponina. Hitako fa mbola lavitr'ezaka ny ady amin'ny andiam-balala mpanimba voly.

Mbola lavitry ny samy maka ho azy ny ao Beomby.  Iarahana ny fitaliana volo.

 

Entina tsy misaraka amin'ny tena toy ny finday any antanan-dehibe ny lefona sy ny basim-borona. Anisan'ny kapa malaza ny Kyranil. Asiany fanamboarana ireo kapa kyranil vaovao mialoha ny hanaovany azy. Fisahany amin'ny antsy hitovy tantana ny faladihany. Mandreraka angamba ilay izy somary misy vodi-tongotra avo kely iny. Misy koa ireo mampangotraka azy amin'ny rano mafana mba hanovana ny lokony ho fotsy mandronono. 

 

"Tifiro sary!" hoy ny antsoantson'ny roa tamin'izy efa-bavy. "Mamaraha ty valiko" hoy aho nananihany sady nanapika ny fakan-tsariko.

Kanto loatra ny zavatra voarakitra ao anatin'ity sary ity. " tifiro sary raho manoroka ty valiko" hoy ilay tovovavy velontsiky somary menamenatra.

 

VITA TOMPOKO

Ela ny ela - ceinture de sécurité ao Dago?

Nampidirin'i radotiana | 3 Mar, 2007

Ohatran'ny tsy mampino ahy hoe ho haingana be toy izany ny fahatanterahan'ity nofinofiko iray ity. Faniriako hatrizay ny mba hanaovan'ny mpamily fiara sy ny mpandeha mipetraka eo aloha ny antsoina hoe " ceinture de sécurité". Izaho moa dia efa diso zatra loatra an'izy io ka tena tsy mahazo aina mihitsy rehefa mandeha fiara any Dago. Mihomehy foana ireo mpamily na ireo mpiraitampo amiko rehefa mahita ahy mampiasa azy. Niezaka nanazava  ny antony iziriziriako hanaovana azy aho fa tena tsy resy lahatra ry zareo.

Manomboka amin'ny 16 jolay 2007 anefa hoy ny tatitra angazety nivoaka tao amin'ny http://www.madagascar-tribune.com/ Laharana faha 5501 : Sabotsy 03 Mars 2007, dia ho lasa fandikan-dalana mahavoasazy ny tsy fampiasana azy io ao Madagasikara.

Araka ny eritreritro dia mendrika omena tehaka mafy be mirefodrefotra ny Ministeran'ny fitanterana sy ny fizahan-tany ary ireo mpiandraikitra ny fiahiana ny fifamoivoizana.

Tsy io resaka ceinture de sécurité io ihany hono no hahavoasazy fa ao  koa ny firesahana amin'ny finday eo ampamiliana fiara, ny fanamaizinana ny fitaratry ny fiara, sns ... (vakio ny gazety)

Source: Madagascar Tribune. No 5501 : Samedi 03 Mars 2007

Tsy maintsy ho volena "seat belt" daholo indray izany ireo vam efa vizana be dia be ao Dago ireo? Bizna vaovao hoan'izay mahay manararaotra indray ity.

 

Jereo ato ireo nofinofiko hoan'i Dago.

 

Source: Madagascar Tribune N° 5507 : Samedi 10 Mars 2007

Teny Anglisy - teny ofisialy ao Dago?

Nampidirin'i radotiana | 2 Mar, 2007

Voalaza tao amin'ny gazety novakiako androany fa nampiana ny hoe " ny teny malagasy, frantsay ary anglisy no teny ofisialy» ary «ny teny malagasy no tenim-pirenena» ny ao amin'ny andininy faha 4 ao amin'ny lalam-panorenana haroso hisafidianan'ny vahoaka amin'ny 4 Aprily.

Raha lany ny "Eny" dia hanomboka hahazo vahana ve izany ny fampiasana ny teny anglisy any Dago? Mety hahaliana ihany ny hanaraka ny fivoarany.

Fitenin-jatovo

Nampidirin'i radotiana | 11 Feb, 2007

" Ka raha tsy kobon'là le kôzy, dia istawaka lesy ry bainina ah!"

     Anisan'ireo tia ny teny gasy madio sady marina ara-tsipelina aho ary izany indrindra no namoahako teto ilay resaka fifaninanana soratonon'2007 hatao any Frantsa atsy ho atsy. Tsy azo amaivanina koa anefa  ny fisian'ny fitenin-jatovo izay ampiasain'ny maro amin'ny fiainany andavan'andro.  

Sendra nandalo ny masoko ity lahatsoratra nivoaka tamin'ny gazety Midi Madagasikara (Nivoaka ny 13 Desambra 2006 - Laharana 7104, pejy 21) ity ka tiako mba ho zaraina amin'ireo izay liana.

Ampahany ihany ireo ary misy ny efa hatry ny ela  no nampiasana azy. Misy ihany koa anefa ireo teny vaovao tanteraka raha ho ahy manokana.

Aleo ho raketina hatrany hahitana ny fivoarany.

Tutorial- Fanovana sary (Header) eto @ blaogy.com

Nampidirin'i radotiana | 2 Feb, 2007

Araka ny fangatahan'ny namana sasany dia aleo omena tsotsotra eto ireo dingana arahina hanovana ny sary eo amin'ireo "endrika" ampiasaintsika eto amin'ny blaogy.com.

Fitaovana ilaina:

1- Ny sary tinao hapetraka

2- Adobe Photoshop na mampiasà ny Cellsea

3- Toerana ametrahanao ny sary online. Ohatra: http://www.geocities.com raha manana kaonty ao amin'ny yahoo ianao.

 

Dingana voalohany

Ho ahy dia ny endrika Kubrick no ampiasaiko.

1- Sokafy ny blaoginao (oh: anarana.blaogy.com)

- Manaova "right click" eo ambonin'ilay sary tinao hovana.

- Save as (tehirizo amin'izay tinao hasiana azy ilay kubrickheader.jpg)

Toy izao ny sary tokony ho azonao:

Dingana faharoa

Raha mampiasa Adobe Photoshop na photo editor hafa ianao dia azonao jerena ny haben'io sary io.

Image --> Image Size

Dingana Fahatelo

Sokafy ny sary tinao hampiasaina ary akelezo hitovy habe amin'io faritra miloko manga eo amin'ilay Kubrickheader.jpg. Tokony ho kely noho ny 760 pixels izany ohatra ny "width" ary latsaky ny 200 pixels ny "height".  (Ny fanovana ho zoro dombo ny sisiny efatra moa mbola tutorial hafa indray iny.)

- Hetezo (Cut) ilay sary tinao ampiasaina ary Apetaho "Paste" eo ambonin'ilay faritra miloko manga. Toy izao ny sary tokony ho azonao:

Dingana fahaefatra

1- Omeo anarana vaovao ilay sary avy namboarina.

2- Asio izay soratra tinao hapetraka eo.

3- Aza adino ny mitahiry ny fanovana farany nataonao (Save)

 

Dingana fahadimy

Ampiakaro any amin'izay toerana tinao ametrahanao azy online ilay sary vaovao.

Ohatra:

- Ndeha ataontsika hoe rakoto no anaranao (username), 

- mampiasa ny www.geocities.com ianao itehirizanao  sary ao amin'ny internet.

- tambohogasyheader.jpg no anaran'ilay sary vao avy namboarina.

Tokony ho toy izao izany ny adiresy hampiasainao eo amin'ny dingana fahaenina.

http://www.geocities.com/rakoto/tambohogasyheader.jpg

 

Dingana fahaenina

1-Midira ato amin'ny blaogy.com-nao. (log in), rehefa tafiditra ao anatiny dia,

2- Mankanesa ao amin'ny réglages --> Fanovana CSS

3- Apetaho (copy --> paste) eo amin'ilay Fanovana CSS ireto code ireto.

#header { background: url(http://www.geocities.com/rakoto/tambohogasyheader.jpg) no-repeat center center;
border: none;
}

4- Ilay soratra ao anaty fonosana (...) ihany no ovana hifanaraka amin'izay adiresy misy ny sary vao avy namboarinao.

 

Raha endrika "Kubrick" no nampiasainao dia ampio an'ireto code ireto mba tsy hisehoan'ilay anaran'ny blaoginao indroa.

h1, h1 a, h1 a:hover, h1 a:visited{font-size : 0px;}

 

5- Tehirizo.

VITA TOMPOKO.

Raha misy manahirana hafa dia azo anontaniana an'i Hery na i Pissoa angamba sa ahoana?

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»