Tohin'ny voan-dalana antsary avy any Dago - Nov 2008

Nampidirin'i radotiana | 14 Nov, 2008

Mitohy ny tantara hoy ny Zain... Asa na efa firy izay no efa nahazo an'ireto fiara tsy tontan'ny ela noravahana ny lokon'ny Zain ireto. Tsy tena resy lahatra amin'ny fahombiazan'ny Zain aloha aho hatreto. Tsy mety tafapaka any Dago mihitsy mantsy ny antsoko raha vao laharana finday an'ny Zain no antsoiko avy aty Etazonia.

 

Mitombo isa hatrany ny gazety antsoratra. Nahatsapa aho talohan'ny nandehanako ho any Dago teo fa tahotra sy horohoro indray no azoko fa tsy mba fafiny tamin'ny famakiana gazety gasy "online." Fanafihana mitam-basy sy vono olona mahatsiravina matetika no voatatitra.  Tsy dia tsapako loatra anefa aloha ilay tsy fandriam-pahalemana rehefa tena tonga tany. 

 

Tohizana kely ny loko volom-parasin'ny Zain :-)

Anosy amin'ny nahitako azy andro vitsivitsy lasa izay.

 

Na dia maniry ohatran'ny anana aza anefa ny trano simenitra voaravaka fitaratra manjelatra ao andrenivohitra dia  mbola maro koa ireo miaina ao anatin'ny fahatsorana tanteraka. Tany mena, hazo sy fantsika ary bozaka sy taretra ny akora ampiasaina dia vita.

 

 Toamasina amin'ny endriny ankehitriny.

 

 Ampahany amin'ireo làlana nohavaozina. Efa misy kodiaran-telo koa ny posy any arak'ireny nitanteran'i Jentilisa azy tany aloha ireny. Mbola vohizin-togotra kosa anefa fa tsy toy ny KINGA ao Antsirabe.

 

Tamin'iny faritry Vatovavy Fitovinany iny. 

 

Tonga tany ihany ny aron'akanjo nalefan-dRamose fa ny dabilio... Valo isaky ny dabilio kosa ve?

 

Manazava be amin'ny teny frantsay i ramose teto... 

 

Efa teny Ivato aho no navoakan'i T... avy any ampaosiny any ity karatra mena ity. "ento any ity ry Rado hoy izy hapetrakao amin'ny blaogy". Tadidiny hay ilay resakay teny andalana. Mpanamory ireny fiara tsy matahotra lalan-dratsy ireny izy. Matetika hono izy no antonin'ireny jôbakely ireny dia ilazany hoe "za ramose mba hividiano mofo fa homeko mofo anie ramose eh". Ohatran'ny tsy teo hoy i T... no hakako ity karatra mena ity avy ao anaty poketrako. " iny ny andry" hoy hono izy sady atohony amin'ilay jôba ilay izy. Mitsoaka mandositra avy hatrany hoy izy izay tratrako sady toran'ny hehy.

Nanatitra ahy hiondrana koa moa ilay zandriko lahy be hanihany izay ka avy hatrany izy dia nitsatsaingoka sady nisintona ilay karatra teny amin'i T.... "mba fantatrareo ve moa ry T... ny antony nitsoahan'ilay jô?

"Vakio mivadika anie io soratra io eh."

 

VITA TOMPOKO 

Voan-dalana antsary avy any Dago - Nov 2008

Nampidirin'i radotiana | 12 Nov, 2008

Tafaverina soamantsara avy any Dago omaly alina aho. Ireto misy voan-dalana antsary vitsivitsy nentiko ho anao. 

undefined 

Mety hanomboka amin'izay angamba ny fanamboarana ity Lapan'ny Tanànan'Antananarivo ity. Tsikaritro nisy fefy fanitso vao atsangana manoloana ity sary ity tamin'ny Zoma lasa teo.

 

 

Efa misy ho jerena ny endriky ny Rovan'i Manjakamiadana raha avy lavitra. 

 

Mety tsy ho azo ihodivirana ny fiovan'ny endriky ny tanàna manamorona an' Andranomena raha vao vita soamatsara ny trano vaovaon'ny Masoivoho Amerikana.

 

Miasa andro aman'alina ry zareo sinoa mpanamboatra ny hotely misy rihana 24 (tsy azoko antoka raha tena io tokoa no isa marina) eo Mandrosoa Ivato. Io maintso manjavozavo io izy amin'ny sary raha tazanina avy eny amin'ny arabe fefiloha hoany Ambohitrimanjaka. Mahatazana azy mandondona koa anefa ianao rehefa midina an'Ambohidratrimo iny. 

 

Nivezivezy tamin'iny làlana mankany Toamasina sy Fianarantsoa ary Tsiroanomandidy iny aho tamin'ity indray mandeha ity ary dia nahatsikaritra fa efa maromaro ihany ireo biraom-pokontany mitovy endrika sy loko no efa voatsangana.

Asa na firy no isan'ireto fiaram-pitanterana misy rihana ireto ao Dago fa dia sendra ahy teo Manjakaray ity anakiray ity. Zotra mankany Toamasina. Alaivo sary antsaina ianao mipetraka eo amin'ny seza anoloana toa azy efa-dahy eo amin'ny sary amin'iny fidinan'i Mandraka iny.  

 

Mety hiova tanteraka ny endriky ny tontolo fitanterana amin'ny posy ao Bira (Antsirabe) afaka taona vitsivitsy raha ny fahitako azy. Tsy ho ela dia ho zatra mandeha "KINGA" ny olona. 1000 ariary (5000fmg) ny saran-dalana hoan'ny olona iray. Afaka mitondra olona telo handeha amin'ny toerana telo samihafa ny mpamily KINGA. Haingana sady tsy dia mahasosotra ny mandeha aminy. Solika 3 litatra hono no laniny amin'ny halaviran-dalana 100 km. 

Misy tanteraka ihany ireo nofinofiko tany aloha tany. Tsy mitebiteby firy intsony aho rehefa mandeha fiara amin'iny lalam-pirenena mampitohy an'i Toamasina sy Antananarivo, na Antananarivo sy Toliara iny. Miha manaja ny andaniny natokana ho azy ny fiara mandeha amin'ny arabe. Misy tsipika fotsy mitohy sy mitapatapaka mantsy ny arabe ankehitriny. Ny irariana dia mba hitohy ny fikojakojana azy ireny.

 

Tonga tany Dago ihany i Alpha Blondy tamin'ny farany. Takelaby dokam-barotra hita teny amin'ny arabe fefiloha hoany Ambohibao io eo ambany io. 

 

 Manana finday ny ankamaroan'ny olona. Ny finday marika ZTE ("Zanaky ny Tena Enjana" araky ny filazan'ilay mpanamory fiara namana iray izay) no tsikaritro ho be mpampiasa. Variana amin'ny findainy ity mpitarika posy iray any Toamasina ity.

 

 

Soratra manala azy nisodisody teo anoloako teny andalana.

 Io ilay tsipika mitohy amin'ny arabe noresahiko etsy ambony fa hita tsara.

" Fikasana an'ny Sôfera, fa ny didy an'ny Môtera "  :-)

 

Izy hono toy izany mihitsy e!

 

... Misotroa rano iray vera isa-maraina ihany na dia izany aza an :-)

VITA TOMPOKO. 

 

Ela tsy nitoratorahana blao-gy...

Nampidirin'i radotiana | 26 Sep, 2008

"Izay indray ialahy vao hita izay ela be izay" hoy i "Ra Danz" mpiara mianatra tamiko tao amin'i Kolejy Rasalama na dia vao ora vitsivitsy monja aza no tsy nifankahitanay roa lahy. Tamin'ity indray mitoraka ity indray kosa aloha dia tena nitombona ny tenin'ialahy "Ra-Danz" fa valo volana ngarangidina aho tsy afaka nitoraka blao-gy teto.

Nisy fotoana aho nanao lava-kodiarana tany Florida nandritra ny volana maromaro ka dia aleo aloha izay nanaitra tany no atao be lazao eto. 

Ilay fisetrasetran'ny mpamily fiara no nahan-torakovitra ahy tamin'ny voalohany. Nanontany tena mihitsy aho hoe noho ny fisian'ilay toeram-pirimorimoana amin'ny fiara haingam-pandeha ao Daytona ve no antony sa resaka hafa mihitsy. Toa mihevi-tena ho mpanamory matihanina daholo ny ankamaroan'ny olona. Ny be antitra anefa amin'io mitobaka mameno ny arabe mandositra ny hatsiaka mamirifiry any amin'izay nisy azy tany. Tsy dia nataoko nahagaga intsony taty aoriana ny fahitana ireo takela-by marobe izay rakotra dokam-barotra milaza ny toy hoe " Izahay antsoina hiady ny zonao raha naratra tamin'ny lozam-pifamoivoizana ianao" sy ny sisa.

 

Ny hitsidika an'i Key West izay nosy kely any amin'ny tapany farany antsimo indrindra aty Etazonia no efa mba faniriako hatrizay. Tsy azo nodinganina moa i Miami raha hoany Key West ianao ka dia nararaotina koa ny hijery ny tora-pasiky Miami Beach sy ny kotaba takarivany miaraka amin'ny gadon-kira salsa manakoako eran'ny Ocean Boulevard. Lalan-tokana mifanena no mitondra anao mankany Key West. Nosy kely maromaro mifampitohitohy no manome ny Florida Keys. Tetezana mitoman-davana no iampitana ary dia masiaka dia masiaka tokoa ny mpitandro ny fifamoivoizana amin'ny tsy fanajana ny hafainganam-pandeha. 

undefined 

 

90 Miles (144 km) avy eto i Cuba hoy ny sora-mandry eo ary eto no tendrony farany Atsimo indrindra amin'i Etazonia hoy ilay sora-baveny fotsy somary efa vaso-basoka. Lasa dia lasa ny fisainako nandinika ny zava-boalazan'ity "fanosehana" be feno loko marevaka ity. Efa akaiky be an'i Cuba mihitsy anie aho izany e" hoy aho nanonofinofy.Mifandrombaka maka sary eo daholo ny mpizaha tany. Ireny mpitondra soavaly vy miakanjo hoditra mainty sady be volom-bava ireny no sendra ahy teo. Sahirana mihitsy aho vao nahita irika hakana io sary eo ambony io. Tsy nasiana be filirony fa izay voapika tao dia izay izany no izy :-)

 

 undefined

 Eto no manomboka ny lalam-pirenena voalohany aty Etazonia. Ohatran'ny hoe eo amin'ny Gara Soarano hoany Tsiroanomandidy izany io :-)

Anisan'ny tena nahavariana ahy tao Key West ny fahitako ireo akoho dia  mirenireny etsy sy eroa. 

undefined 

 Efa ndeha hody aho ny ampitson'ny fotoana nakako ity sary ity no nahita tamin'ny gazety tao antoerana fa nisy akoho mpirenireny miisa 450 hono nosamborin'ny fanjakana tao antanàna ary nitadiavana olona hizarana azy maimaim-poana tany Dade City, FL. Samy manana ny olany tokoa ny olona hoy aho niteny irery teo ampamakiana ilay gazety. Raha tany Dago izao izany akoho zaraim-potsiny izany... :-)

 Nosy Kely io amin'ny sary eo ambany io ary misy trano vitsivitsy miorina eo aminy. Vitsy ireo olona tena monina any Key West raha ny fahitako azy. Faritra iantefan'ny rivo-doza mahery mantsy izy iny. Ny vanim-potoanan'ny Ririnina aty Etazonia ihany ny ankamaroan'ny olona no monina any.  

 undefined

 

Anisan'ny maro mpitsidika ny trano fonenan'ingahy Ernest Hemingway, mpanoratra amerikana malaza. Tadidiko ny fianarana tsianjery maimbo ny lisitr'ireo boky nosoratany fony izahay taona voalohany tao amin'ny sampam-pianarana Teny Anglisy teny amin'ny Anjerimanontolon' Antananarivo. Misaotra anao ihany aloha Mr Rakotovao fa hay mbola mba nisy tadidiko ihany izy ireny rehefa tonga teo ambavahadiny teo aho :-)

 

undefined 

 

Lafo fiainana i Key West satria dia tsy maintsy tanterina mankany daholo ny zava-drehetra ka dia naleo ny làlana miverina tany Naples izay tsy maintsy mamakivaky ny Everglades no nasiana olona.

Mba sambany aho no nahita arabe mitondra ny anaran'i Madagasikara taty Etazonia ka dia tsy aritro raha tsy niverenana nalaina sary.  Ao amin'ny nosy kely antsoina hoe Marco Island izay tsy dia lavitra ny tanànan'i Naples no misy azy io. 

  

 undefined

VITA TOMPOKO. 

Samy manoratra izay tiany

Nampidirin'i radotiana | 28 Jan, 2008

Asa ianareo na mba misy toa ahy fa izaho ilay karazan'olona mora voasariky ny soratsoratra etsy sy eroa. Aty ivelany moa dia ireny auto-collants (bumper stickers) mipetraka amin'ny fiaran'ny olona mandeha eo alohako ireny no matetika voavakiko. Misy hafatra tian'izay namolavola azy hampitaina foana tsinona. Ohatra iray fotsiny ilay hoe " GOD IS MY CO-PILOT" hoan'ireo tena mino an'Atra fa hiaro azy amin'ny loza. Nisy nanita-kevitra taty aoriana dia namoaka ny hoe "DOG IS MY CO-PILOT". Ny Vazaha moa tia miompy alika tsy misy ohatran'izany.

Efa miresaka an'izay bumper sticker izay ihany dia manararaotra fotsiny aho milaza fa misy fikambanana mpanao asa soa hoan'i Dago aty Amerika ary manana auto collant gasy milay ato sao mahaliana anao.

Ireto manaraka ireto indray soratra nahasarika ny masoko tany Dago.

Te hanontany ny tompon-tanàna tamin'ity iray ity aho saingy tsy nisy olona tao :-(

Sarotra ny tsy hamakiana an'ity soratra iray ity. Ny làlana miholikolika, izy tsy afaka mandeha,... Omeny anao amin'izay ny hafatra :-)

Tsy misy fihatoana mihitsy izany :-)

Tsikaritro fa miha maro ny olona manambatra teny roa amin'ny faingo mihantona.

- " Man'ina? "

- Misy " ..bonn'occas " hono ao.

Lasa lamaody ny fametrahana laharana finday amin'ny fiaram-pitanterana. Dokam-barotra tsy andoavam-bola kosa ve?

Version gasy amin'ilay "God is my co-pilot" angamba ity "Arovy aho Tompo" ity.

 

VITA TOMPOKO

Peta-drindrina

Nampidirin'i radotiana | 26 Jan, 2008

Sambany aho vao nahatsikaritra ity peta-drindrina mivaingana iray ao Isoraka ity. Eo ampitan'ilay tranom-bakoka no misy azy. lafim-piainan'ny olona ao Dago amin'ny ankapobeny no arantiny.  Nisy nilaza fa avaozin'ny tompony arakaraky ny zava-malaza ao antanàna hono ny vaingan-javatra asehony eo. Tsindrio ny sary eo ambany raha te hijery azy lehibebe kokoa.

Ao ambanin'ny tetezan'i Behoririka. Mbola eo ampanamboarana azy ny CUA raha ny fahitako azy. Vita amin'ny simenitra izy ireto. Maromaro izy no ao. Niova endrika ho tsara mihitsy ilay tao ambany tetezana fa tsy ilay fako be miavosa araky ny tahirin-tsary tavela tao antsaiko intsony. Misaotra e.

Eo  akaikin'ny vavahadin'ny Rova no misy an'ireto vaingan-tsary mampiranty ny fiainampiainan'ny Malagasy fahizay ireto. Izany Rabemanantsoa izany no niketrika azy ity tamin'ny taona 1940 hono. Asa izy ity na ketrika vaovao mody nohaterina na tena efa tena nisy teo tokoa fa tsy nisongadina fotsiny.   Mba topazo maso io rehefa mianika eny amin'ny avo eny fa tsy mahasosotra mihitsy ny mijery azy :-) 

 Mbola misy takela-bato anakiroa fanampiny somary lehibe ao antokotanin'io trano fotsy komavoka io. Mba mametraha kely fotsiny hono hoy ilay mpiandry tanàna ao alohan'ny hivoahana ny vavahady :-).

Tamboho kodiaran-tsarety eny amin'ny 67Ha. Gasigasy ilay eritreritra ary tena milay saingy rakotry ny mpivarotra foana izy isan'andro ka tsy hita loatra ny hakantony.

 "...Aza tifirina tsirairay fa alaivo miaraka." hoy ilay razoky mpivarotra. Mba niera mantsy aho tamin'iny indray mipika iny.

Tsy naharitra aho fa dia voasarik'ity doka nataon'i Tina ho fampahafantarany ilay raki-kira vaovao nantsoiny hoe "Ibesafira"  ity. Tsindrio ny sary eo ambany raha te hahita an'i Tina sy ny mpihira feo lafikany miaraka amin'ireo mpitendriny eny antsehatra. Nampiavaka an'io fampisehoana io koa ny fandraizan'i "Zamba" anjara. Mpitendry valiha maro afitsoka miangaly ny kanto any amin'ny tanàna any fa mba araho maso akaiky.

 

Mety tsy peta-drindrina intsony kosa angamba ity e. Fetsifetsy ireto Celtel ireto :-). Novoleny ireto takela-by fiarahabana tonga soa ireto iny lalan'Antsirabe iny. Azo antsoina amin'ny finday foana ianao mandrapahatonga any Bira...

Hay ve ka rakotra tariby ohatran'izao ity habakabak'Ambondrona ity.

 Ho an'ilay namana mpanamory voromahery :-)

VITA TOMPOKO

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»