Gasigasy

Nampidirin'i radotiana | 1 Feb, 2007

Nanao lava tongotra/kodiarana tany California tany d izao indray vao tafaverina eto amin'ny tanàna.

Tapakevitra tampoka ny hanome endrika gasigasy ny takelaka aho androany ka dia io hitanareo nosoloina tamboho ntaolo gasy io ilay sary teo aloha. Teo akaikin'ilay fasana misy soratra hoe 1896 eny Andraisoro, Antananarivo no nangalako ny sary.  Manontany tena aho hoe mety hitovitovy taona amin'io fasana io koa ve izany ity tamboho ity?

Misaotra an'i Pissoa tamin'ny sopapa.

Ity misy voan-dalana tany ampandehandehanana tany. Mampatsiahy ahy ilay hiran'i Tovo'Jhay manao hoe "...masoandro mody malefaka eh..."

Tany Huntington Beach, California no nangalana ny sary.

 

 

Molia - Brillante

Nampidirin'i radotiana | 15 Jan, 2007

Tafahoana ny gasy efatra mianadahy androany alahady hariva d mba nijery ny clip n'i Brillante. Samy tia ilay hira daholo saingy sahirana naminavina ny tena tiany ho tenenina. Nony farany d hoe aleo hangataka fanampiana ato amin-tsika mpitoraka blao-gy.  Misaotra mialoha hoan'izay afaka manampy.

 

Lia ela zay ty liano         
Talinjo avao ty triako    
Nagnalokaloka ahy, eny e   
Mimpolia e zao ko lako lia, eny e
Tolio ty anaky toy fa tika tsy naito

Lia ela zay ty liano         
Talinjo avao ty triako    
Nagnalokaloka ahy, eny e   
Mimpolia e zao ko lako lia, eny e
Tolio ty anaky toy fa tika tsy naito

Aia rehe?
Le mahatoboke zao, toliho anio fa zoky e
Ho tahako ambe e'zao, molia ko lako lia
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy

Liako lia nomaly tsy nijiagnankany e
Ty foko an'io marary e
Ty hamagninako azo, eny e

Mimpolia e zao ko lako lia, eny e
Tolio ty anaky toy fa tika tsy naito
Aia rehe?
Le mahatoboke zao, toliho anio fa zoky e
Ho tahako ambe e'zao, molia ko lako lia
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Aia rehe?
Le mahatoboke zao, toliho anio fa zoky e
Ho tahako ambe e'zao, molia ko lako lia
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy

Ireo nofinofiko hoan'i Dago

Nampidirin'i radotiana | 10 Jan, 2007

  Nahita aho tamin'ilay fandalovana tany Dago tamin'ny volana Desambra teo fa efa misy ezaka ary hita maso ny vokany ataon'ireo mpitondra.

  Na izany aza anefa dia mihevitra aho fa tsy mahadiso raha manolotra ny soson-kevitra eto aho/isika ny amin'izay mety hanatsara misimisy kokoa ny fiainana ao Madagasikara.

  Manasa anao koa aho handray anjara hametraka izay nofinofinao.


FIFAMOIVOIZANA

  1- Tokony ho velomina indray ireo " Traffic lights" manampy ny mpandeha tongotra hiampita arabe sady manampy ny fiarakodia te hivily miankavia na ankavanana eo amina sampanan-dalana. (Ny ao andrenivohitra aloha no tena hitako mila azy ity maika).

  Ny polisy no manao an'io asa fandrindrana ny fifamoivoizana io ankehitriny. Rehefa tsy eo ny polisy dia mifanaritaka samy manao izay saim-patany ny mpamily. Izay tafatsofoka mialoha no tompon'ny lalana.

  Tadidiko fa nisy betsaka azy io tao Analakely, Antanimena,  sampanana hoany Ampahibe eo amin'ny Route circulaire, sampanana hoany Ankatso sy Antanimora, ...

  Tsy manaratsy  ny vita sinoa aloha fa tsy tafa ilay eo amin'ny 67Ha eh. Mila mba atao manarampenitra ohatran'ny fahita any Europe sy aty USA ohatra.


  2- Mba hisy "median" ilay tsipika fotsy mitohy sy tapataka iny amin'iny arabe teritery sady miholakolaka mankany Antsirabe, Fianarantsoa, Toamasina, ...

  Mba entanina sy ampianarina ny mpamily tsy hangalatra ny ampahan-dalana tsy natokana hoazy rehefa mivily amin'ireny fiholanana tsy ifankahitan'ny fiara mifanena ireny.

Firy isan-taona re ny aina voatsimbina raha mba miala amin'ilay fi-coupe-na fiholanana ny mpamily ao Dago e?

Aleo ireo fotsiny aloha fa amin'ny manaraka indray tohizana.

Fandalovana tany Dago - Dec 2006

Nampidirin'i radotiana | 30 Des, 2006

Tafaverina soamatsara aty amin'ny Bekintana indray aloha na dia ranomandry be tsy ifankahitana aza no niandry taty. 

Samy manana ny fahitany ny zava-misy moa fa raha ho ahy manokana dia misy fivoarana be ny fahadiovan'ny renivohitr'i Dago sy ny faritra maro amin'ny ankapobeny. 

Tsy maintsy "shocked" kely foana raha vao mitontona any fa rehefa afaka andro vitsivitsy dia milamina. Io ilay antsoin'ny olona hoe "reculture shock". Lasa vahiny any amin'ny taninao indray ianao ka gaga mahita izao zavatra lasa tsy mahazatra rehetra izao.

Ilay mikosoka kapoaka rehefa harivariva eo analakely kosa aloha tena tsy tafa mihitsy na dia izany aza eh.

Ireto misy sary vitsivitsy nalaiko tetsy sy teroa tamin'ireo toerana nandehanako.

ANTANANARIVO

 

 

 

Efa misokatra ity by-pass mankany Ambohimangakely ity amin'izao.

Mihamaro ny toeram-ponenana toa tsy d mahasosotra ny mijery azy.

Tsy azo lavina ihany koa anefa fa ny toy izao no mbola iainan'ny gasy maro an'isa ao andrenivohitra.  Faritra akaikin'ny 67 Ha.

Niampy iray ny mpifaninana amin'ny orinasa Orange sy Celtel eo amin'ny sehatry ny fifandraisana amin'ny finday. Mihamora ny vidin'ny finday amin'ny ankapobeny. Io tolotra 49 000 Ariary io no anisan'ny mora indrindra raha tsy diso aho.

Lasa fomba fiteny andavan'andron'ny olona ny hoe " mety be amiko ".

Mihagoavana hatrany ny takelaka dokambarotra toa izay hita eo akaikin'ny Hotel Hilton ity.

Anosy. Azo isaina ireo taxi-be manao ankisisika amin'iny arabe manamorona ny tambohon'ny Sekoly Saint Michel iny no afabela amin'ireto polisy ireto.

Mahasarika ny masoko hatrany ny tao-tranom-piangonana ka dia tsy maintsy mba omena kely ny anjara toerany eto. :-)    Faravohitra

Miverina kely amin'ny zava-misy tsy azo hodian-tsihita.

Andohatapenaka.

Hoan'ireo izay mirevy mamonjy Braderie.

Ndao hikisaka kely hoany BIRA amin'izay.

Milay be eny amin'ny Gara sy ny manodidina azy eny fa mba mandalova any rehefa afaka. Ohatran'izao ny teny Antsena Sabotsy talohan'ny Krismasy.

Tia loko marevaka sady misoratsoratra ny Malagasy amin'ny ankapobeny raha ny fahitako azy.

Tapakevitra tampoka aho mba hijery an'izany MORONDAVA izany fa efa ela loatra no nahenoako ny lazany.

Nandalo an'i Betafo.

 

Maizina tanteraka vao tonga tao Miandrivazo. Nanomboka teto dia gidragidra ny lalana. 120 km natao tao anatin'ny adiny 10 tao anaty aizina. Niteny ny zandary mpisava taratasy tao fa misy andianjiolahy mirongo basy manakana sy mitora-bato ny mpandeha alina manomboka eo Miandrivazo ka hatrany Malaimbandy. Tsy nisy hevitra fa tsy maintsy natsofoka tany anelalenan'ny Taxi-Brousses Minibus efa za-dalana tany ny fiara nentinay.

Raha mieritreritra ny hoany Morondava mandeha fiara aloha dia aleo miandry ny lalana vita fa tena gidraka be.

Nazava ny andro vao tonga tao Malaimbandy.

 

Tsy maintsy ho ny Sinoa angamba no nanao ny lalana tany. Tsotra kokoa noho ilay ao Moramanga ity saingy tena mahatazana tokoa ilay toerana misy azy.

Tsy tody tany amin'ilay "Baobab Alley"  aho fa na dia izany aza mba nahita baobaba ihany teny andalana.

Fotsy be ny tora-pasik'i Morondava

Nandalovana vetivety i Morondava dia namonjy an'i Bira haingana hitodi-doha hianantsimo antsinanana.

Nandalo an'Ambatovaky,  ilay toerana anisan'ny voaala sary matetika raha handeha hoany Ranomafana - Ifanadiana ny vahiny na mpizaha tany.

Niova tampoka ny endriky ny tanana raha vao vita ny arabe.

Tsy mampino fa 30 minitra fotsiny no anaovana an'iny lalana mampitohy an'Alakamisy-Ambohimaha sy Vohiparara iny amin'izao fotoana izao raha adiny roa izy teo aloha.

Ohatran'izao ny lalana mandalo eo amin'ny tananan'i Sahavondronana ankehitriny.

Tsy nety ny saiko raha tsy nandeha kely tany Tsiroanomandidy nialohan'ny niaigako tany Dago tamin'ny herinandro lasa. Efa ela koa no naniriako hijery ny fiovana tany.

Gaga aho fa misy "median" mandritra ny km maromaro ny arabe RN  1  na dia any akodahoda be aza.

Toa mbola ho ela anefa vao ho zatra hanaja azy ireny ny mpamily fiara ao Dago.

Aleo faranana any Tana ny dia sa ahoana?

Sendra nifanontona tamin'ny faradoboka nataon-dRa8 tao Mahamasina ny fandalovako tao Tana ka dia nanao fanahiniana mihitsy aho mba hijery ny zava-misy tao. Namorom-potsy i Mahamasina. Tsinjo teny antsefatsefany teny ihany koa anefa ny Tee shirt mena zarain'i Celtel (madacom taloha) maimaimpoana hoan'ireo izay mividy laharana finday vaovao any aminy.

Tsy afenina fa toran'ny hehy foana aho rehefa maheno ny filoha mikabary amin'ny fampielezan-kevitra na tamin'ny fahitalavitra na ilay tao Mahamasina. Sendra izy tonga tao mantsy aho no tonga tao ihany koa. Faranany amin'ny "eh!" daholo ny zavatra teneniny. Ohatra. "Handeha kely amin'izay aloha izahay eh!" na hoe " 1er tour de vita eh!", ...

Lasa fitenin'ny olona koa ilay manisy "eh!" any amin'ny farany  amin'ny resaka andavan'andro rehefa te hampihomehy izy.

Elaela vao tsapako fa tetika efa maty paika hay ny an'ny filoha mba hahatsapan'ny olona fa tsy misy elanelana firy manasaraka azy amin'ireo sara-babem-bahoaka (tantsaha, ... ary isan'ireo vahoaka niaina teny andalam-be izy).

Aleo faranana amin'izay ary aloha eh!

Vita tompoko!

Ho any amin'ny 666 tokoa ve?

Nampidirin'i radotiana | 2 Nov, 2006
Be loatra ny resaka manodidina an'ilay "RFID tags" taty Etazonia tao ho ao ka dia tsy aritro ny tsy hanokana pejy iray iresahana azy fohy ato amin'ny blaogiko.

RFID = Radio Frequency IDentification


Ohatran'ny tavoahangy tsy miloko mitovivovy habe amin'ny voam-bary izy io. Eo ambanin'ny hoditra eo amin' ny sandry no hametrahana azy.   Tsy hita  ety ivelany hoe mitondra azy io ianao.


Betsaka ny antony namorona an'ity teknolojia iray ity fa vitsivitsy fotsiny no ho tanisaiko:


-  Eo amin'ny sehatry ny fitsaboana aloha no fantatro fa efa nahazoana fankatoavana ny fampiasana azy aty Etazonia.  Azo "scan"-ena io RFID tags io  ary dia mipoitra ho azy avy hatrany ny anaran'ilay marary, ny sokajin'ny rany sy ny fitsabona rehetra efa natao azy tany aloha. Manamora ny asan'ny mpitsabo izy izany.


-  Azo asolo ny fanalahidy koa izy. Ilay hitako tamin'ny fahitalavitra omaly alina ohatra dia mampiseho fa  ahofahofanao manoloana ilay vata kely mpampita ny onja elekronika fotsiny ny tananao dia misokatra hoazy ny varavarana. Tsy mila mitondra fanalahidy etsy sy eroa intsony.  Izay manana  RFID ao anatin'ilay system ihany no mahasokatra ny trano.  (Efa mihitatra any amin'ny fiara, solosaina, sns... )


- Amin'izao fotoana izao moa dia mihevitra ry zareo ao amin'ny http://www.verichipcorp.com/  fa azo asolo ny  "ATM card" (Automatic Teller Machine card) mihitsy ity RFID tag ity. Tsy mila mitondra ireny karatra plastika misy ny logo-n'ny  VISA, MASTERCARD, AMERICAN EXPRESS, DISCOVERY, sns... ireny intsony izany ianao fa ny sandrinao fotsiny no ahofahofanao eo anoloan'ilay ATM dia voamarin'ilay machine avy hatrany fa ianao mihitsy io ary mahazo alalana maka na mapiditra vola eo ianao... Hihena hono ny resaka fisandohana sy ny halatra raha mampiasa an'io daholo ny olona...


 - Tsy vitsy koa anefa ny mpanohitra azy ity:


Anisan'izany ny ireo olona manahy mafy ny amin'ny mety ho fahavotsoran'ny "fahafahan'ny tsirairay". Raha mitondra io RFID tags io daholo tokoa mantsy ny olona dia ho mora amin'ny fanjakana, ny polisy, sns... ny  manaramaso ny olona. Ho fantany hoe taiza ianao, inona no nataonao, sns...


-  Ny tena manaitra  dia ny filazan'ny mpino kristiana fa ho lasa fitaovam-pamoretan'ny devoly ny fampiasana ity teknolojia ity ka hitarika ny fahatanterahan'izay voalaza ao amin'ny:

 Apokalipsy 13: 16-17.
" Ary ny olona rehetra , na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tanany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany."


 Revelations 13:16-17
 "And he causeth all, both small and great, rich and poor, free and bond, to receive a mark in their right hand, or in their foreheads: And that no man might buy or sell, save he that had the mark, or the name of the beast, or the number of his name."

 
Ho tonga any amin'ny isan'ny bibidia "666" tokoa ve ity RFID tag ity?
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»